Nofidian-dry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasa malagasy mihitsy iny omaly iny satria fiafaran’ny fampielezankevitra rahateo mba hanentanana ny vahoaka malagasy rehetra ho tonga hifidy rahampitso.
Izay no hevi-baventy nentiny tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Andao hifidy ! Ampiakaro faran’izay avo ilay taham-pahavitrihana 52% mahery tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Antony dia mba tsy hisy indray hitsikera izay filoham-pirenena vaovao tafakatra eo hoe zara raha lany. Tsy afaka ny hiasa irery izay ho filohantsika vaovao eo ka ny fampitomboana ny taham-pahavitrihana hifidy no fanombohantsika ny fiaraha-miasa aminy. Isika miara-miasa aminy no hiteraka fampandrosoana. Antso avo nataon’ireto sendika ireto koa moa ny hoe aleo mba handeha amin’ny fahamarinana sy tsy hisy korontana intsony ny fifidianana amin’ity na aloha na mandritra na aoriana.Niantso ny foloalindahy mba tsy hiandany amin’ny atsy na ny aroa ihany koa ireto sendikalista ireo fa mba tena hijoro ho an’ny tanindrazana irery ihany . Miantso ireo tompon’andraikitra mba hanao ny asany araka ny tokony ho izy, araka izany, izy ireo.
J. Mirija/ Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.