Actualités

Sendikan’ny Jirama “Namotika ny orinasa io Tale Jeneraly io”


  • Zoma 08 Martsa 2019

Raikitra ny fitokonan’ny Jirama omaly, araka ny fanambarana efa nataon’izy ireo.

 

 

 

 Tonga tetsy amin’ny Jirama Soanierana anefa ny mpitandro filaminana omaly, ka nandrara ny fampiasan’ny mpitokona fanamafisam-peo. Rehefa nandeha ny fifamaliana, dia nanapa-kevitra ny nanajanona izany izy ireo omaly. Nambara fa handamina ny stratejia ny komitin’ny grevy, ka hihamafy izany anio, hoy Atoa Haja Maminirina mpitarika ny Farimbon-tsendikaly eo anivon’ny Jirama. Tsy voavaly, ary ny tena mampalahelo anay dia ny mbola mandainga sy mamahan-dalitra ny mpiasa ihany ilay mpitantana satria misy “mail” haparitaka fa tsy ara-dalàna ilay fitokonana, kanefa ny “inspection du travail” izao no efa milaza fa ara-dalàna, hoy izy. Tsy miraharaha io sampandraharaha io rahateo ireo satria ny mpiasa efa tsy navelany noroahina aza moa roahina ihany ka toa ilay rafi-panjakana mihitsy no tsy asiana lanjany, hoy hatrany izy. Tsy manaiky ny fandroahana tsy ara-drariny, ary mitaky hatrany ny fialan’ny Tale Jeneraly izahay satria namotika ny orinasa izy, hoy hatrany ireo mpiasan’ny jirama. Mety hiafara amin’ny fanapahana jiro ity hetsika ity. Niantso ireo mpiasa mitokona sy ny mpitantana ny Jirama mba hifampiresaka hikaroka ny vahaolana fa tsy hifanenjika fotsiny moa ny minisitry ny angovo omaly; hiditra an-tsehatra ny minisitera rehefa tsy mahita marimaritra iraisana izy ireo, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT