Mety haverina ny fifidianana izay ho filohan’ny sendika hivondronan’ny fikambanan’ireo fiarakaretsaka matihanina eto an-drenivohitra
. Na vita ny zoma lasa teo aza ny fananganana ny birao sy ny fanendrena izay ho filohan’ity sendika ity dia nambaran-dRamiandrisoa Fidele fa nisy ihany ny savorovoro. Notsindriany manokana ny fivoahan’ny mpikambana sasany ny trano nandritra ny fifidianana. Teo ihany koa ny fifanoheran’ny fifidianana notanterahina tamin’ny lalam-pifidianana efa napetrak’izy ireo. Noresahiny manokana fa olona tena manao asa fivelomana amin’ny fiarakaretsaka tsy manao asa hafa no tokony hilatsaka hofidiana. Ny mifanohitra tamin’izay anefa no nisy. Tokony ho olona efa niaina nandritra ny folo taona tamin’ny asa ihany koa. Farany dia mahay mifanerasera amin’ny mpamatsy vola ary manana ny mari-pahaizana Bakalôrea raha kely indrindra. Hanatanteraka fivoriana vonjimaika indray ireo mpikambana eo anivon’ny birao hahafahana mandinika ny mety ho famerenana ny fifidianana na tsia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.