Actualités

Sendikan’ny mpitsara Miantso ny vahoaka hahatoky ny fitsarana


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Nifoha tamin’ny torimasony ny sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) taorian’ny fitsaram-bahoaka nisesisesy nanerana ny nosy.

Tsy miombon-kevitra amin’ny fitsaram-bahoaka izahay mpitsara,   Andrianjafimahery Alphonse, filohan’ity sendika ity omaly. Manao antso avo amin’ny vahoaka mba hamerenany ny fitokisany ny mpitandro filaminana sy ny mpitsara amin’ny alalan’ny tsy fanaovana fitsaram-bahoaka izy ireo. Ny tena olana amin’ity toe-javatra ity dia mety ho olona tsy manan-tsiny no ho matimaty foana vokatry ny tondro molotra. Misy foana ny mpandresy ary misy ny resy manoloana ny raharaham-pitsarana iray ka matetika ireo resy dia mihevitra fa nanao kolikoly ny mpandresy mba handetehana azy, saingy tsy izay no tokony hafantoka ao an-tsaina ary tsy tokony halaim-panahy hanao kolikoly ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny SMM fa olombelona ihany ny mpitsara ka mety hisy ny lesoka. Raha ny lalam-panorenena eto amintsika dia voaharo manokana ny mpitsara amin’ny fanatanterahana ny asany. Na izany aza anefa dia tokony hisy ihany ny fepetra manokana raisina ho an’ireo mpitsara voamarina fa nanao kolikoly na nanao hadisoana hafa mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka sy tsy hananan’ny besinimaro ahiahy.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT