Actualités

Sendikan'ny mpitsara "Avelao hiasa malalaka ny Bianco sy ny fitsarana"


  • Zoma 07 Aprily 2017

Tsy niandry ela ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), fa naneho ny heviny mikasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy, taorian’ny resaka nataon’ny minisitra Charles Andriamiseza,

izay nanakiana sy nilaza ny Bianco ho tsy manara-dalàna, ka tokony hamotsotra ity mpanolotsain’ny filoha voatazona noho ny resaka kolikoly ity. Amin’ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, dia mitaky Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara amin’ny hampiharana ny lalàna 2004-030 nivoaka ny 9 septambra 2004 mikasika ny BIANCO, nasiam-panovana araka ny lalàna 2016-022, izay miantoka ny fahaleovantenany tanteraka. Mametraka ny tsy fitsabatsabahan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny  fitsarana raha mbola eny anivon’ny fanadihadiana sy famotorana eny amin’io sampandraharaha io ny raharaha. Tsy ekena ny herisetra sy fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra atao amin’ny mpiasam-panjakana sy ny biraom-panjakana, ary  mamerina ny maha tany tan-dalàna ny firenena Malagasy, araka ny ambetin-tenin’ny filohan’ny Repoblika. Manamarika ny SMM fa ny endrika fitsabahana amin’ny famotorana toy izao atao amin’ny BIANCO izao dia toheriny. Hanara-maso akaiky ny fizotrany ny SMM rehefa ho tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Raha nanao iny fanambarana iny ny ministra dia ny heviny no nambarany fa tsy hevitry ny mpitsara malagasy. Noho izany, miantso ny vahoaka malagasy rehetra mba ho tony izahay mpitsara mivondrona ato amin’ny sendika, hoy izy ireo. Manohana tanteraka ny ezaka rehetra nataon’ny tompon’andraikitry ny BIANCO amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna ny SMM. Miantso sahady ireo mpitsara fa hisy fivoriambe tsy ara-potoana izay hatao . Miantso ny fitondram-panjakana mba handray fepetra hanajanonana ny firongatry ny fitsaram-bahoaka izay mahazo vahana eto amin’ny firenena.

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT