Actualités

Sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana Mitaky tombontsoa ihany koa


  • Talata 30 Mey 2017

Nanomboka nitokona tetsy Antaninarenina koa ry zareo avy eo anivon’ny mpiasan’ny fadin-tseranana omaly.

  Anton’ny fitokonana  ny hanovana ny tambin-karaman’izy ireo sy ny fomba fanisana azy izay efa noresahana nandritry ny 5 volana saingy tsy nisy fanapahan-kevitra hatreto. Mitady finiavana hamaha olana izahay, hoy ny filohan’ny sendika (Sempidou), Herizo Andrianavalona mba tsy hiitaran’ny fitokonana. Hisy moa ny fifanatonana amin’ny tompon’andraikitry ny minisitera anio hijerena ny fomba fandoavana azy ity. Hiato kosa ny fitokonana rahampitso. Mitohy ny alakamisy ka hatramin’ny alatsinainy, raha tsy misy ny vahaolana. Fepetra hafa no hiraisina aorian’io raha tsy mbola mahafa-po ny fandehan’ny rraharaha. Marihina fa mitentina 5 miliara ariary isan’andro ny vola ampidirin’ity sampandraharaha ity amin’ny kitapom-bolam-panjakana ary anisan’ny mandray anjara amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny izy.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT