Tsy hisy hampianatra ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ireo sendika 13 isa eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mandra-pivalin’ny fangatahana nataon’izy ireo tamin’ny fitondram-panjakana
. Omaly no nisantaran’izy ireo ho an’ny eto Antananarivo renivohitra, fotoana nidiran’ny mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana rehetra raha efa nitsahatra tsy misy mampianatra intsony ny any amin’ny faritra SAVA, Sofia, Vatovavy Fitovinany… Ho an’ny teto an-drenivohitra manokana dia nitety ny toerana misy ireo mpampianatra namany toy ny tetsy amin’ny INFP Mahamasina, ny EPP sy ny CEG Antanimbarinandriana izy ireo omaly maraina ho mariky ny firaisankinany. Nitohy teny amin’ny foiben’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy izany izay niantsoan’izy ireo ireo mpiasa rehetra mahatsiaro tena ho voahitsakitsaka ny zony, indrindra fa ireo mbola mikarama 110.000 Ar isam-bolana. Tsy mahavelona ny mpampianatra intsony izany hoy Ratolojanahary Arsene, mpitarika ny SEMPAMA Nosy ka tokony hojeren’ny fanjakana akaiky. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ireo mpampianatra efa am-polo taonany nanaovana ny asa fampianarana nefa mbola hampanaovina taratasy fifanarahan-kasa indray izay vao raisina ho mpiasam-panjakana raha ho raisina aza. Raha araka ny fanazavan’izy ireo moa dia betsaka tamin’ireo mpampianatra namany no naniry hanatevin-daharana hanao ity fitokonana ity saingy noho ny fampitahoran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny sefo ZAP dia tsy afa-nanoatra izy ireo. Niafara tamin’ny fanakatonana ny mpitokona tao amin’ny ministera moa ny hetsika omaly mba tsy hahafahan’izy ireo mivoaka mitety sekoly. Narahina mpitandro ny filaminana hatrany izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.