Mbola lalàna tany amin’ny taona 1960 hatramin’izao no tadiavina hampiharina eto, hoy ny tompon’andraikitra voalohany avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra Malagasy niofana tao amin’ny “centre régionale et national de formation professionnel” na ny SMM CRENFP, raha nivory niaraka tamin’ireo mpikambana tetsy Mahamasina io omaly io mba hanamboarana ny antontan-taratasy ho fanondrotana sokajy faha-4 ireo sokajy faha-3 teo aloha.
Io omaly io rahateo, raha ny fanamarihan’izy ireo no fotoana nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra hikarakarana izay fahazoan-dalana hanondrotra sokajy izay. Tonga eto avokoa na nandefa solontena farafaharatsiny, hoy ny fanazavana, ireo mpampianatra rehetra voakasik’izany manerana ny faritany. Ny hany takianay, hoy izy ireo, dia ny mba hiovan’ireo lalàna efa lany andro toy ny hoe mbola 90 ariary hatrany no tambin-karaman’ny mpampianatra. Efa tsara, hoy ny tompon’andraikitra ny namaly ny hetaheta mikasika ilay resaka sokajy saingy mahatsiaro adino tanteraka kosa izahay raha mbola ireo lalàna efa lany andro ireo no hampiarina momban’ny tambin-karamanay.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.