Nanapa-kevitra ny hiverina hampianatra manomboka anio alakamisy 13 oktobra 2016 ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ireo sendika 13 eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Novalian’ny fitondram-panjakana mantsy ny 60% n’ny fangatahan’ireo mpampianatra, hoy ny filoha nasionalin’ny Sendikan’ny Mpampianatra Malagasy Nosy Ratolojanahary Arsène. Miisa 8 ireo teboka nahitana marimaritra iraisana dia ny fandoavan’ny fanjakana ireo saram-pitsaboana, ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo mpampianatra Fram nahatontosa adidy teo anivon’ny minisitera, ny tambin-karama faobe fitsinjovana ny maha-olona, ny fandinihana ny fanafoanana ny fifanarahana 6 taona ho an’ny mpampianatra Fram sy ny fanasokajiana ireo mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana, ny fanafainganana ireo fanampiana sy ny fanendrena ireo mpampianatra nivoaka teo anivon’ny sekoly fampianarana miaraka amin’ny fanasokajiana ireo manana diplaoma. Tsy nahafa-po ireo sendika 13 moa ny fitakiana teo amin’ny lafiny ara-bola saingy zava-dehibe ny dingana nataon’ny roa tonta, hoy ny mpitarika ny Sempama Nosy. Tsy voafetra kosa ny fotoana hijanonan’ny fitokonana, araka ny fanamarihany. Tsiahivina moa fa nihaona tamin’ny filoham-pirenena avokoa ireo sendika manana olana rehetra omaly alarobia.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.