Actualités

Sendikan’ny mpampianatra mpanabe Manome 14 andro ny fitondram-panjakana


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Taorian’ireo mpandraharaha ny fonja sy ny mpiraki-draharaha dia manome 14 andro ny fitondram-panjakana ihany koa ny vondron’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe mba hamahana ny olan’izy ireo.

 

Araka ny nambaran’izy ireo dia anisan’ny mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena ny mpampianatra nefa anisan’ireo tena farahidiny indrindra.  Takian’izy ireo ny fandoavana ny vacation CEPE sy BEPC, izay misy vary mangatsiaka, efa ho roa taona izao. Tafiditra ao, hoy izy ireo, ny tokony handoavana azy io isan-taona, aorian’ny fahavitan’ny fitsarana ny fanadinana, fa tsy avela hialon-taona lava izao. Faharoa, ny fandoavana ny volan’ny mpampianatra FRAM tsy voaefa, izay mbola mijanona ho 110.000 Ar ihany hatramin’izao, raha efa tokony hiakatra ho 200.000 Ar. Takian’izy ireo mihitsy ny hamadihana izany ho lasa tena karama mivaingana, mandrapaharay azy ireo ho mpiasam-panjakana. Mitaky ny hanafoanana ny « contrat » mandritra ny enin-taona ihany koa izy ireo, fa avy hatrany dia « décision » no omena, rehefa vita ny fianaran’asa 12 volana, fa tsy misy « intégration » intsony. Toraka izany koa ny fandraisana ho mpiasam-panjakana avy hatrany ireo mpampianatra nivoaka tamin’ny « école normale » sy ny « centre de formation », ny fampiakarana ny quota 10.000  isa ho lasa 20.000 isa  amin’izay mba voaray avokoa ny FRAM rehetra izay tsy tafiditra alohan’ny 2018. Raha sanatria tsy tanteraka moa ireo dia manambana ny tsy handray anjara amin’ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana eto amintsika izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT