Tanteraka avokoa ny 80%-n'ireo fitakiana nataon'ny SEMPAMA Nosy tamin'ny fitondram-panjakana raha araka ny tafa nifanaovan'ny filohany Ratolojanahary tamin'ny mpanao gazety omaly. Hanomboka handray ny asany avokoa, araka izany, izy ireo mba ho tombontsoan'ny zana-bahoaka manerana ny faritra 22.
. Mba hialana amin'ilay aferafera sy fahalalana olona anefa dia fantatra fa handray anjara akaiky amin'ny fanaraha-maso ny lisitra avoakan'ny minisitera izy ireo, amin'ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM miisa 10.000 andiany voalohany raisina ho mpiasam-panjakana. Ankoatra io dia mbola hangataka amin'ny fanjakana ny hahafahana mandray mpampianatra miisa 20.000 isa indray ihany koa izy ireo hampihenana ireo tokony horaisina hatrany amin'ny 45.000 isa. Mandritra izao fitondrana izao avokoa no hangatahin'izy ireo hanatanterahana izany, fampanantenana nataon'ny filoha. Nisy ny fivoriana izany niarahan'ireo solontena manerana ny faritra 22 tetsy amin'ny efitrano fivoriana etsy amin'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena omaly nanambarana izany tamim-pomba ofisialy. Na izany aza dia mbola hisy ny dinika hotanterahin'izy ireo hahafahana manatsara kokoa hatrany ireo fitakiana sasany sy ny ambiny sisa tsy tanteraka. Tafiditra ao anatin'izany ny famerenana ny karaman'ireo mpampianatra ambiny sisa tsy voafehy notapahan'ny fanjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.