Actualités

SEMPAMA Handray an-tanana ny ho avin’ny firenena


  • Alakamisy 06 Oktobra 2016

Handray an-tanana ny ho avin’ny firenena ny SEMPAMA na ny Sendikan’ny mpampianatra mpanabe manomboka izao, raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Raharovoatra Claude omaly

 . Amin’izy ireo mantsy dia tsy fotoanan’ny fanilihana andraikitra intsony izao na ho an’ny mpitondra fanjakana izany na ho an’ny mpanohitra. Raha tiana anefa ny hamokatra olom-banona araka ny teny filamatr’izy ireo hoy hatrany Raharovotra Claude  dia tsy maintsy raisina ny andraikitra satria anisan’ny tompon’antoka amin’ny zava-mitranga misy eto amin’ny firenena  ankehitriny  ihany koa ny mpampianatra. Nisy hatrany ny fanovana ny rafi-panabeazana nataon’ireo mpitondra nifandimby hoy hatrany izy saingy dia  nanaiky lembenana hatrany ny mpampianatra. Ankehitriny, vonona ny hanova ny tantara nisy izy ireo izay tafiditra indrindra ao anatin’ny famerenana ny hasin’ny mpanabe. Nandritra ny fialan-tsasatra lehibe farany teo ohatra dia nisy ireo karazana fiofanana marolafy nomena ireo mpitarika ny SEMPAMA manerana ny Nosy  toy ny fahaiza-mitarika sy  ny fitondrana  olona, ny ara-toekarena, ny fananganana ekipa, ny fananganana tetik’asa…Ezahin’ireo mpikambana haparitaka eny anivon’ny fiaraha-monina izany hahafahana mandresy ny fahasahiranana  mianjady amin’ny isam-baravarana. Na izany aza tsy hisolo tena ny mpanao pôlitika izy ireo saingy hiainga amin’ireo fitaovana sy fahalalana misy eo am-pelatanany kosa. Tsiahivina moa fa ny taona 1998 no niforona ny SEMPAMA, Miisa 57.842 ireo rafitra misy ao aminy ankehitriny, raha mahatratra 27 kosa ireo sekoly misy manana mpikambana ao amin’izy ireo.

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT