Actualités

SEMPAMA Feno 17 taona, nivadika ho kaonfederasiona


  • Zoma 12 Desambra 2014

Tafatsangana ny kaonfederasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe, 17 taona taorian’ny nisian’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe, tarihin’ny filohany Raharovoatra Claude

Antom-pijoroany ny hiaro ny tombontsoan’ny mpanabe rehetra izay tsy hijanona fotsiny amin’ny fampianarana ankapobeny sy ny sekolim-panjakana fa hiitatra amin’ireo sekoly miahy tena sy ireo toeram-pampianarana teknika ihany koa. Efa mahatratra an-jatony ireo mpikambana hatreto ka anisan’ny asa voalohany hotanterahin’izy ireo ny hitety faritra hampahafantatra ny zava-misy ankoatra ny fijerena manokana ny fandraisana mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana sy ny famindran-toerana ireo mpampianatra sasany. Ho an’itsy voalohany manokana dia nambaran’ny filohany Raharovoatra Claude fa efa nisy ny dinika nifanaovany tamin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisitera ny amin’ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra mihoatra ny 45 taona ary efa 5 taona ny niasana ihany koa. Tsy mety raha jerem-potsiny izy ireny nefa efa niasa mafy ihany koa.  Mikasika ny famindran-toerana indray dia nambarany fa hiditra an-tsehatra amin’ny fijerena ny maha olona ny kaonfederasiona manomboka izao. Anisan’izany ny fijerena ireo mbola mpitovo teny am-piandohana saingy efa manambady amin’izao fotoana izay voatery manao safidy ny amin’ny asany sy ny vady aman-janany, zavatra roa tsy tokony hisaraka. Taorian’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra mpanabe izay nomarihina ny 05 oktobra lasa teo moa no nanapahan’izy ireo ny fitsanganan’ny kaonfederasiona raha mbola nanamafy izany ny hetsika natao teny amin’ny CCI Ivato ny 08, 09 ary 10 oktobra lasa teo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT