Actualités

SEKRIMA Miantso ny vehivavy ho sahy handray andraikitra


  • Alatsinainy 07 Martsa 2016

Miantso ny vehivavy ho sahy handray andraikitra ka hiditra ao anatin’ny sendika mitsangana eny anivon’ny orinasa ny Sendikan’ny Kristianina Malagasy.

 

 Hatreto mantsy  dia mbola manodidina ny 10 % ny lehilahy sy vehivavy mpikambana ao saingy ny vehivavy no vitsy an’isa indrindra. Vokany,  izy ireny no tena hiharan’ny herisetra indrindra eny anivon’ny orinasa, antony mahatonga ireo vehivavy dimy isan’andro tonga mitaraina ao amin’izy ireo. Roahina fa bevohoka,  tsy mahazo “permission” na “conge” rehefa misy olana ny fianakaviany na marary ny zanany, tsy mahazo ilay ora iray isan’andro hahafahana mampinono mandrapahafenon’ny 15 volan’ny zaza, tsy maintsy miasa rehefa andron’ny 8 martsa na tambazana volakely fa manenjika asa …Ireo amin’ny ankapobeny no tena olana mianjady amin’izy ireo, antony hanaovan’ny Sekrima hetsika mafonja rahampitso talata 8 martsa. Etsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Behoririka ihany no hanatanterahany izany hanentanany sy hampirisihiny ny vehivavy mba ho sahy hitantatra izay zava-manjo azy eny anivon’ny orinasa. Arahina fanofanana ny hetsika rehetra na dia ho an’ireo vehivavy tsy an’asa aza. Eny anivon’ny orinasa afaka haba no tena ahitana ireo tranga ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT