Fito taona aty aorian’ny niandohan’ny krizy politika izany vao hisy tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho avy eto Madagasikara. Fanamafisana ny fiverenan’i Madagasikara eo anivon’ny
sehatra iraisam-pirenena izany, kanefa aoka tsy ho diso fihevitra ka hoe ho avy ny famatsiam-bola goavam-be, araka ny nofinofin’ny mpitondra HVM.Efa fomba fanao ara-diplaomatika ihany nyfitsidihana tahaka izao, isika rahateo hampiantrano fivoriana iraisam-pirenena goavana roa dia ny an’ny COMESA sy ny OIF. Tsara homarihana fa tamin’ny volana martsa 2006 nandritra ny fitondrana Ravalomanana dia efa tonga nitsidika teto ihany koa Atoa Koffi Annan sekretera jeneralin’ny firenena mikambana tamin’izany fotoana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.