Tafiditra ao anatin’ny fitsidihan-dRamatoa Michaelle Jean sekretera jeneralin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny frankôfônia (OIF) ny 22 ka hatramin’ny 29 martsa eto amin’ny ranomasimbe Indianina ny fandalovany eto Madagasikara manomboka anio alarobia.
Hisy ny fihaonany amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina eny Iavoloha anio amin’ny 11 ora maraina ary hitafa amin’ny mpanao gazety izy aorian’izay. Anisan’ireo hihaona aminy ihany koa ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, ireo masoivoho vahiny frankôfôna. Hohararaotiny amin’izao fandalovany eto Antananarivo izao ny fitokanana ny biraom-paritry ny OIF aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Roa andro no hijanonany eto amintsika. Anisan’ny tanjon’izao fitsidihana izao ny fitsirihana ny asa vitan’i Madagasikara amin’ny fiomanana handraisana ny fivorian’ny OIF amin’ny volana novambra. Mbola hitsidika ny nosy Maorisy sy Seychelles ihany koa moa Rtoa Michaelle Jean aorian’i Madagasikara. Marihana fa 57 ankehitriny ireo firenena mpikambana ao amin’ny OIF.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.