Nijery manokana ireo ankizy sahirana niangaran’ny vintana eto an-drenivohitra ny College la lumiere Internationale etsy Talatamaty.
Ankizy an-jatony beazina etsy amin’ny sekoly Fanantenana ahian’ny Fiangonana Loterana Malagasy etsy amin’ny 67 ha afovoany no notoloran’izy ireo fanomezana toy ny sakafo sy ny kilalao omaly noho ny fahatongavan’ny fetin’ny noely sy ny taona vaovao. Vokatry ny fanampiana avy tamin’ny « Initiative civile hizmed », hivondronan’ireo mpanam-bola malala-tanana avy any ivelany sy ny fikambanana « Oasis » misy ireo mpianatra eo anivon’ity sekoly ity no angady nananana sy vy nahitana izany. Nosafidian’izy ireo manokana ity sekoly iray ity noho ireo mpianatra ao aminy tena notsongaina avy amin’ny fianakaviana sahirana, tsy manan-kiantorahana nanorenan-dRasolondraibe Péri mivady sekoly manokana mandrapahazoan’izy ireo ny diplaomam-panjakana toy ny CEPE hahafahany miditra any amin’ny sekolim-panjakana. Na izany aza anefa dia nomarihin’ny tompon’andraikitry ny sekoly fa 100 % hatrany ny voka-panadinana azon’izy ireo hatramin’izay. Mahatratra 156 ireo mpianatra beazina ao ankehitriny, hiantohana fitaovana sy sakafo antoandro raha 10 kosa ny mpampianatra.
Pati
!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.