Actualités

Sekoly ambony ISFPS Handefa mpianatra hiasa any ivelany


  • Sabotsy 10 Septambra 2016

Handefa mpianatra hiasa any ivelany ny sekoly ambony ISFPS ( Institut Supérieur de formation polyparamed et sciences sociales) izay manana ny foiben-toerany etsy 67 ha.

Lohalaharana amin’izany ireo mpianatra  manaraka ny lalam-piofanana ho mpampivelona sy mpitsabo mpanampy ao aminy ka manana traikefa tanteraka mifanaraka amin’izany sady manana ny mari-pahaizana licence ihany koa. Orinasa iray any Allemagne no handray ireo mpianatra ireo,  handray an-tanana sy hikarakara ny fahasalaman’ireo zokiolona beazina sy tezaina any amin’ireo ivon-toerana mifandraika amin’izany any an-toerana, raha araka ny fanazavan’Andriamatoa Tsimiondreke Mahasoa filoha tale jeneralin’ny sekoly tamin’ny mpanao gazety omaly. Hanomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2016-2017 ity no hisian’izany ka hisy ny fampianarana teny allemand maimaimpoana ireo mpianatra voafantina hiarahana amin’ilay agence handefa azy  ireo mivantana any an-toerana. Tanora Malagasy am-polony maro moa no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany entina hamahana ny olan’ny tsy fananan’asa eto amintsika. Hankalaza ny fahadimy taona niorenany ity sekoly ambony iray ity ny volana desambra ho avy izao.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT