Actualités

Sekoly ambony INSPNMAD Hijery manokana ireo tsy salama eto an-drenivohitra


  • Zoma 22 Janoary 2016

Taorian’ny fanatsarana sy fanadiovana ny sehatry ny fampianarana nimasoan’ny sekoly ambony INSPNMAD nandritra iny taona nivalona 2015 iny dia fantatra fa hijery manokana ireo mpiara-belona manana olana ara-pahasalamana ny eo anivon’ity sekoly ambony iray ity.

 

Fitsaboana  maimaimpoana no hotanterahiny, hetsika izay hotontosaina etsy amin’ny esplanade Analakely, mandritra ny telo andro dia ny  21, ny 22 ary ny 23 martsa ho avy izao, telo andro mialoha ny fetin’ny paska. Ny fitsaboana ny maso, arahina fanomezana solomaso, ny  fitsaboana nify, arahina fanomezana solonify ho an’ireo izay mila izany, miampy fandidiana madinika no hatao, hiarahana amin’ireo dokotera manampahaizana rehetra eto an-toerana sy avy any ivelany. Tanjona ny ahafahana manampy ireo sahirana ara-pivelomana eto amintsika, mila fitsaboana. Mikasika izay fampiroboroboana ny resaka fitsaboana izay ihany dia fantatra fa ny volana mey ho avy izao no hiainga eto amintsika hihazo ny Nosy rahavavy Maurice ireo mpianatra 27 mianadahy handeha hiasa any amin’ny Clinique iray lehibe any an-toerana  izay mpianatry ny sekoly raha hitohy ny volana jona indray ny fisoratana. Nisy ny fihaonana teo amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly rehetra omaly nifampiarahaba sy nirary soa noho ny fahatongavan’ny taona vaovao.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT