Tao anatin’ny famoahana andiana mpianatra nahavita fianarana tao aminy tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena omaly zoma no nanamarihan’ny mpiandraikitra ny sekoly ambony Imgam fa :
« Mametraka olana amin’ny fivelaran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa sy mampikatso ny fampandrosoana amin’izao fotoana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaraham-penitra amin’ireo sekoly ambony sasantsasany eto Madagasikara. Mila apetraka anefa izany mba tsy ho diplaoma tsy entina hisondrotra amin’ny fivoarana no ho azon’ny tsirairay, ka ao anatin’ny tanjon’ity seoky ity manomboka izao ny fametrahana antoka ahatongavana amin’izany. Laharam-pahamehana ny hampananana tetikasa hampirisika ireo manodidina na mpamatsy vola hanohana azy, nefa koa ny sekoly mihitsy no hametraka ny atao hoe « Fonds de garantie » hanohanany ireo mpianatra mivoaka ao aminy. Hotrandrahana manokana ny sehatry ny fandraharana eo amin’ny fambolena sy fiompiana ao anatin’izany. Ankoatra izay, anatin’ny tetikasan’ny sekoly ny hanitatra ny fampiofanana ao aminy amin’ny fametrahana ny « école doctorale », hisy fiaraha-miasa amin’ireo sekoly ambony any ivelany izany. Tokony hanana tetikasa mifandraika amin’izany avokoa ny sekoly ambony misy eto amintsika hialàna amin’ny tsy fananana asa ka hiteraka ny tena fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena, hoy ny mpiandraikitra ity sekoly ity, Hiezaka ny ho fitaratra izy ireo hanaitra ny tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.