Misy rindran-damina manokana ny fikarakarana ireo mpianatra ao amin’ny sekoly ambony CNTEMAD, hoy ny tale jeneraliny Andrianambinina Frida Djohary tamin’ny mpanao gazety omaly.
Nasiany resaka manokana ny fomba fizarana ny vaovao eo anivon’ny sekoly amin’ny mpianatra izay notsindriany fa amin’ny alalan’ny puce Telma ihany izay efa nozaraina maimaimpoana tamin’ny mpianatra, ary tokony handeha hatrany mba hahafahan’ny roa tonta mifandray. Notsindriany ny daty hanaovana ny fanadinana, ny boky misy ao amin’ny sekoly azo ampiasaina, indrindra ho an’ireo tsy afaka mandalo matetika. Nitondrany fanazavana manokana ihany koa ny mikasika ireo mpianatra mitaraina noho ny tsy fahazoany taratasy fiantsoana tamin’ny alalan’ny paositra, ahafahany miatrika fanadinana. Azon’izy ireny atao tsara ny manatona ny sekoly maka ny duplicata mifandraika amin’izany hisorohana ny olana mety hitranga. Ho an’ireo mpianatra nahazo naoty ratsy tamin’ny fanadinana notanterahina farany teo kosa dia nomarihiny fa tsy miankina amin’ny sekoly ambony CNTEMAD izany fa avy amin’ny mpampianatra irery ihany izay tsy azon’ny sekoly hidirana. Ny 19 septambra ho avy izao moa ireo mpianatra ao amin’ity sekoly ambony ity no hiatrika ny fanadinana ho an’ny enim-bolana faharoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.