Actualités

Sekolin’ny Miaramilam-Pirenena (SEMIPI) Handray mpianatra miisa 40


  • Sabotsy 13 Aogositra 2016

Hisy ny fifaninanana hidirana ho taona faharoa ao amin’ny Sekolin’ny Miaramilam-Pirenena Fianarantsoa (SEMIPI) ho an’ny taom-pianarana 2016-2017

. Hotanterahina ny 29 aogositra ka hatramin’ny 2 septambra ho avy izao izany. 40 ihany ny mpianatra horaisina amin’ity fifaninanana ity ka toy izao ny fepetra ho an’ireo kilonga te hanao izany : Lehilahy, teratany Malagasy, nahavita kilasy fahatelo sy manana ny mari-pahaizana BEPC, 15 taona raha kely indrindra ary 17 taona manomboka ny volana aogositra raha lehibe indrindra, mirefy 1,45m  farafahakeliny. Tsy maintsy vita fizahana ara-pahasalamana ny mpiadina ary nahazo alalana avy amin’ny ray aman-dreny. 15 000Ar  kosa ny saram-pifaninanana ka tsy averina izany na inona na inona voka-panadinana. Taranja hifaninanana amin’ity fanadinana ity ny fanatanjahantena, ny kajy, ny fizika simia, ny Malagasy ary ny taranja Frantsay. Ny foibem-panadinana kosa dia eto Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga, Toliara, Antsiranana, Tolagnaro, Morondava. Efa afaka manatona ireo Toby miaramila akaiky ireo  te hahalala ny andinindininy bebe kokoa mikasika ity fifaninanana ity. Ilaina ny fanatonana mialoha mba hisorohana ny fahatarana satria mbola maro ireo antontan-taratasy tsy maintsy homanina amin’ity fifaninanana ity.

                                                                                              Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT