Feno hipoka ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly.
Afa-po tanteraka ireo mpijery sy mpankafy an’i Poopy, izay efa elaela ihany tsy hita teo amin’ny sehatry ny zavakanto. Poopy namerina ny hira nahafantarana azy tao anatin’ny 30 taona, saika tsy ampy ny 3 ora sy sasany nifampizarana ny kanto sy ny mahafinaritra omaly tolakandro. Tsara tamin’ny ankapobeny ny sehatra, ny jiro, ny dihy mirindra. Somary niavaka ihany koa ny fiakanjon’ireo mpisehatra. Na izany aza, nisy indrokelin’ny mpandrafitra araka ny fomba fiteny ihany ny fikarakarana, nisy mantsy ny olona velon-taraina satria nanana tapakila ara-dalàna kanefa tsy tafiditra fa nolazaina hoe efa feno ny toerana. Na izany aza, seho goavana ny omaly ary manamarika ny fiverenan’i Poopy indray eo amin’ny sehatry ny zavakanto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.