Misedra olana hatramin’izao ny sehatra tsy miankina Malagasy, araka ny fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ny vondron’ny mpandraharaha tamin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara nanasa azy ireo mivantana teny Tsimbazaza
Tsy mbola tafarina vokatry ny krizy naharitra 5 taona mahery teto amin’ny firenena ireo orinasa tsy miankina Malagasy. Voakasik’izy io avokoa na ny tontolon’ny tsena na ny resaka fitantanana, indrindra fa ny tsy fahafahan’ny mpandraharaha manefa ara-potoana ny hetra aloa amin’ny fanjakana, raha ny fanazavan-dry zareo avy amin’ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy sy ny «Groupement d’Entreprises de Madagascar». Efa nanambara ireo soso-kevitra miisa fito, tamin’ireo tompon’andraikitra mpanatanteraka isan-tsokajiny ho fanatsarana sy ho fanamaivanana ny tataon-ketra takian’ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina Malagasy moa izy ireo. Tsy nionona tamin’izany kosa anefa ireo depiote mpanao lalàna ka nihaino ireo hetahetan’ireto farany mba tsy ho tompon-trano mihono amin’ny zava-misy iainan’ny mpandraharaha Malagasy. Mampitaraina manokana ny sehatra tsy miankina, ohatra, ankehitriny ny tataon-ketra 20% mba hampidinina ho 15%.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.