Atrikasa nandritra ny 3 andro hanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany no notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina. Nifarana omaly alakamisy 16 mey ny hetsika ary mpandray anjara 70 teo no nandalo tao, nahitana ireo avy any amin’ny faritra. Lohahevitra 2 no novelabelarina sy nifampizarana omaly.
Ny maraina nahakasika ny fitaterana ary ny tapany hariva kosa niresahana ny valanjavaboary eto Madagasikara. Fantatra tokoa fa maro ny toerana tena tsara sy manintona mpizahatany saingy olana hatrany ny fitaterana. Ny fitaterana ana habakabaka manokana dia nivoitra tao fa lafo ny sarany mankaty Madagasikara kanefa ela ny fombafomba ary tsy mifanaraka amin’izay akory ny tolotra omena ny mpizahatany. Tokony hisy fiofanana amin’ireo mpisehatra na amin’ny fomba fandraisana fotsiny ireo mpizahatany aza. Manginy fotsiny ny amin’ireo sehatra hafa izay tsy mamparisika azy ireny, tahaka ny sakafo, ny lalana, ny hotely sy ireo mpitaridalana (guides touristiques). Ilana fanatsarana avokoa ireo mba ahafahan’i Madagasikara milahatra sy mifaninana amin’ireo firenena hafa. Mahakasika ireo valanjavaboary tahaka ny ao Ranomafana, Masoala, Andasibe dia toerana tena manintona ny mpizahatany ireny ary anisan’ny ahafahana manao fizahantany avo lenta. Olana anefa ny tsy fahampian’ny fampahafantarana momba ny toerana ary na fantatra aza dia mampihena ny mpizahatany ny faharatsian`ny fotodrafitrasa sy ny tsy fandriampahalemana ary ny tsy fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Mbola vitsy ihany koa ny lalana vita tara (route goudronnée) ary maro ny faritra tsara tena mitoka-monina sy anjakan’ny fanakanan-dalana. Hampidi-bola be haingana ny fifotorana amin’io sehatra io raha manana finiavana ny fitondram-panjakana ary notsindriana mafy nandritra izao atrikasa izao ihany koa ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa maharitra amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Ny teo anivon’ny “confédération du Tourisme de Madagascar” moa no tompon’antoka tamin’izao ary notohanan’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny tetikasa PROCOM.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.