Actualités

Sehatra fizahantany Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa sy Alemaina


  • Zoma 25 Janoary 2019

Hanatanteraka fampiofanana any Frantsa sy Alemaina ny Ofisy nasionalin’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) nanomboka ny 22 janoary lasa teo ary tapitra ny 31 janoary ho avy izao.

 

 

 Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa amin’ny kaompania ana habakabaka Air Madagascar sy Tsaradia. Tanjona ny hisintonana mpizahatany frantsay sy ireo avy any Alemana ka izany no hanatanterahana ny fampahafantarana an’i Marseille, Lyon, Nantes ny any Frantsa ary Hambourg, Berlin ary Francfort kosa ny any Alemana. Agence de Voyage Malagasy miisa 10 no mandrafitra ny delegasionina ary manampahaizana manokana miisa 175 no andrasana ka ny 77 ho an’i Lafrantsa ary 98 ny an’ny Alemaina. Hitondra ny famelabelaran-kevitra ho fandresen-dahatra ny vahiny ireo mpisehatra matihanina ireo ary hiezaka hampahafantatra mihitsy ny harena mampiavaka sy ny tombony amin’ny fandalovana eto Madagasikara. Ilaina ny hetsika fampahafantarana sahala amin’itony ho fampiroboroboana hatrany ny  sehatra  fizahantany izay hananantsika  tombony sady tokony hampiditra vola be ho an’ny firenena. Maro ireo firenena efa lasa lavitra tamin’ny fampandrosoana tamin’ny alalan’io sehatra io ary tsy tokony ho latsa-danja amin’ireny i Madagasikara satria manana ireo toerana sy harena ara-boajanahary maro mampiavaka azy. Mila omanina ny fotodrafitrasa izay tena ratsy sy mampitsoaka ny vahiny ary tsy maintsy jerena akaiky ny tsy fandriampahalemana izay miteraka laza ratsy ho an’i Madagasikara.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT