Sehatra tsy azo ihodivirana ankehitriny ny sehatra angovo satria mifandray tanteraka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Nanambara ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana teo aloha, Ban Ki-moon fa tsy azo eritreretina ny fampandrosoana tsy misy ny angovo ary sarotra ny ahatongavana amin’ny fampandrosoana lovain-jafy raha tsy misy ny angovo maharitra. Anisan’ny vaindohan-draharaha eto Madagasikara ary voafaritra ao anatin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD 7) ny tokony hananan’ny rehetra ny angovo maharitra, manaraka ny toetr’andro ary amin’ny vidiny mirary. Olona 1 amin’ny 5 amin’izao no tsy manana jiro ary ny afrikanina no maro an’isa, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Olana anefa ny fiovaovan’ny toetr’andro ateraky ny filan’ny olona ny angovo satria 3 miliara izao ireo olona mbola mampiasa hatrany ny kitay sy ny arina. Nanambara mihitsy aza ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny indostria (0NUDI) fa 66% amin’ny etona avy amin’ny angovo no miteraka fiovaovan’ny toetr’andro. Izany no manimba haingana ny tontolo iainana ary tokony handraisana fanapahan-kevitra, indrindra eto Madagasikara, mba hahatongavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Amin’izay no tokony hijerena akaiky ireo angovo hafa tsy manimba ny tontolo iainana izay efa tena hirosoan’ireo firenena mandroso.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.