Actualités

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary


  • Zoma 18 Janoary 2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

 

 

Adihevitra nivadika ho ahiahy sy fahasosorana moa satria raha ilay firafitry ny governemanta vaovao, araka ny vina IEM napetrak’i Andry Rajoelina dia nofoanana ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena (SEG), fa lasa natelin’ny departemanta iray goavana dia ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena. Ao anatin’ilay antsoina hoe : “Renforcement socle emergent” izy io amin’ny fizaran’asan’ny governemanta ary lohalaharana mitarika ny minisitera 8 ao anatin’io, raha ilay vina IEM no arahana ny praiminisitra lefitra misahana ny asa vaventy, ny fitaterana, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana sy ny fotodrafitrasa. Raha io kisarisary firafitra governemanta izay efa miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera io aloha izany no raisina dia veloma mampamangy teo ny SEG. Omaly tolakandro dia efa kotaba ny tany anaty lakazerin’ny zandary tany raha araka ny tsiliantsofina re, fa hoe tsy rariny ny fanafoanana an-kolaka ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena na ny fametrahana azy ambany fahefana minisitera iray. Manana minisitera miavaka sy matanjaka tsara anefa etsy an-kilan’izay ny fiarovam-pirenena. Manana minisitera mitokana ihany koa ny filaminana anatiny. Io marina ve no endrika tena izy amin’ilay governemanta ary na ovaina aza io satria efa nahery vaika ny fimenomenomana ary nivoaka ny vaovao dia ho sarotra ny hampisinda ny ahiahy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny ankapobeny momba ity eritreritra hametraka ny SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT