Alahelo, an-dranomaso, niteraka aretim-po teo amin’ity mpitam-bolan’ny fokontany iray, ao amin’ny boriborintany fahatelo ity, ny fihetsika nataona sefo fokontany iray vao notendrena.
Nanaovany vava tsy ambina ary narahiny latsa. Araka ny fanazavana voaray, nanaovan’io sefo fokontany io teny fandrahonana io mpitam-bola io. “Lasa ianao mivoaka any, fa izaho tsy handray anao ho trésorière intsony ary tsy hiaraka hiasa aminao. Tsy ho tamana eo ianao raha mbola izaho no eto, fa efa miova ny zavatra rehetra izao. Azoko roahina ianao na oviana na oviana ary tsy maintsy miala eto. Mitady ny lohako ianao, ka ataovy ihany”, hoy ny teny fandrahonana nataon’io sefo fokontany io. Niteraka aretim-po ary saika safotra tao amin’ny biraom-pokontany io mpitam-bola io, ny zoma teo, raha ny tatitra voaray hatrany. Efa an-taonany maro ity mpitam-bola ity no niasa tao amin’io fokontany io ary izy no nitazona ny volam-pokontany izay miditra. Nambarany, fa nahazo baiko tany amin’ny distrika “hono” io sefo fokontany io hoe, “omeo ahy avokoa ny vola rehetra any aminao any”. Tsy nanaiky ny nanome io vola io izy, ka teo no nahatonga ny fandrahonana samy hafa. Niantso ny distrika, sefo fokontany maromaro, ny filohan’ny ATS na “Association Trésorière Sécretaire”, ny mpitam-bola namany, io mpitam-bola voarahona io ary nanamarina ny tenin’ity sefo fokontany ity. Nilaza ireo nantsoina, fa tsy misy an’izany velively, hoy ny fanazavan’izy ireo. Roaka alika no nataon’io sefo fokontany io tamin’ilay mpitam-bola ary niaka-peo izy. Marihana fa vola karama avy amin’ny fokontany 200.000 ariary io notakian’ny sefo fokontany alaina taminy io “indemnities”. Namaly am-pahatsorana ilay mpitam-bola, fa “izaho tsy mbola nanao ratsy anareo, fa maninona izaho no atao an’izao?”, hoy izy naneho ny alahelony. Marihana, fa efa nidongy tanin’olona hamboleny “hono” io sefo fokontany io ary nanao fanararaom-pahefana, fony izy vao nandray ny toerana maha sefo fokontany azy ary efa nitory azy koa ny tompon’io tany notakiana sy notadiaviny nalaina io, hoy ilay mpiambina ny tanàna. Tonga nandravona ny raharaha tao amin’io fokontany io ny solontenan’ny delege sy ny “tutelle”.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.