Tsy takona afenina intsony ny fitotongan’ny fiainam-pirenena ka nahatonga ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra) nanao fanambarana sy fanairana.
Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny intsony eto fa voahozongozona ny fiandrianam-pirenena noho ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana, hoy izy ireo. Manaporofo izany ny momba ny tetibola amin’ny fanatanterahana ny frankofonia izay tsy mazava, ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana izay toa petatako hatrany, ny vola tokony halefa isaky ny distrika tsirairay izay toa tsy misy tokotaniny. Manginy fotsiny ny fanamparam-pahefana sy ny fampiasana herim-pamoretana ataon’ireo tokony ho « tandroka aron’ny vozona » sy nilaza fa “ho an’ny tanindrazana”. Teboka lehibe hafa toherin’ny SECES ny fanomezan-dalana hitrandraka harena ankibon’ny tany tsy nandalo filankevitry ny mponina eny ifotony sy tsy mbola nahazoana fanomezan-dalana ara-tontolo iainana. Eo ihany koa ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena hanomezana vahana ny vahiny toy ny tany Soamahamanina, Bealanana, Tsarazaza-Fandriana, Mananjary, hany ka ny vahoaka tompon-tanindrazana indray no lasa tompony mangataka atiny. Manao antso avo amin’ireo vondrona iraisam-pirenena mba hanome tanana ny vahoaka Malagasy amin’ny fanenjehana ny fanondranana tsy ara-dalàna ireo harem-bahoaka ity vovonana ity. Nivoitra tamin’ny fanambaran’ny SECES ihany koa ny fiombonan’izy ireo hevitra amin’ny Fikambanan’ireo teraky ny faritanin’i Toamasina (ADOPT) amin’ny tokony hitsinjovana bebe kokoa ny tontolo iainana manoloana ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.