Actualités

SECES sampana Antananarivo “Lalàna maro no mila asiam-panitsiana”


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Namoaka fanambarana ny biraon’ny SECES sampana Antananarivo omaly alarobia 6 febroary.

 

 

 

 Milaza ny eo anivon’ity sendikan’ny mpampianatra mpikaroka ity fa mizotra tsikelikely mankany amin’ny demokrasia ny firenena Malagasy na teo aza ny lesoka isan-karazany sy ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Tsy azo ekena intsony ny mbola fiverenan-dalana amin’ny demokrasia, hoy ny SECES. Nambaran’izy ireo fa tsy mety ny fanaovana mizana tsindrian’ila, ny zanak’ikalahafa ary ny kajikajy manokana efa lany andro ametrahana namanamana eo amin’ny fitantanan-draharaha amin’ny sehatra rehetra, indrindra ny eny anivon’ny anjerimanontolo. Nanao antso avo amin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena mba hijery haingana sy handray fanapahan-kevitra hentitra manoloana ny tokony ho fampiharana fifidianana andraisan’ny rehetra anjara (Suffrage Universel), ka hampitovy zo ny mpampianatra-mpikaroka tsirairay eo amin’ny latsa-bato, ka izay nahazo isam-bato be indrindra amin’ireo kandida no lany hitondra ny oniversite, ny “Domaine” na ny “Etablissement” na “Faculté” ary ny “Mention” tsirairay. Betsaka, hoy ny SECES, ireo fehezan-dalàna sy rijan-teny mila fanavaozana sy fanitsiana na fanamboarana, toy ny lalàna mifehy ny fifidianana amin’ny anjerimanontolom-panjakana, ny lalàna momba ny politikam-pirenena mahakasika ny fikarohana eto Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT