Tsy mandalo fotsiny ho an’ny tranom-pamokarana Scoop digital ny fandehanan’ireo mpilalao sarimihetsika kalazalahy ao aminy mitety faritra fa dia naravony ho tantara an-tsehatra entina hampitana hafatra amin’ny fiarahamonina ihany koa.
Nalefa ho hitan’ny besinimaro tamin’ny herinandro teo tanaty efitrano voalohany ilay horonantsary “Adisanina Fandio” notontosain’ny tarika « Team Safelika”. Maharitra ora roa latsaka ity tantara ity, izay mampihomehy amin’ny ankapobeny, azo hampialana voly ny fianakaviana tsara sady azon’ny rehetra jerena. Na izany aza, mifono hafatra ho fanitsiana ny fiarahamonina ihany koa ny tantara. Anisan’ireny ny fahaizana miara-monina amin’ny hafa, ny fihetsika atao manoloana ny tranga mahazo ny namana na olona akaiky. Tsiahivina moa fa toerana maro no nanaovana ny fanodinana ity horonantsarimihetsika ity izay nanomboka tao Anjohibe sy tao Mahajanga nandalo tany amin’ny faritr’i Vakinankaratra niampita tany Ampefy, Faritra Itasy. Nisy ihany koa teto amin’ny Faritra Analamanga. Azon’ireo fikambanana atao ny mikomandy ity horonantsarimihetsika vaovao ity dieny izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.