Actualités

Savorovoro teny Tsaralalana Mpiasan’ny Kaominina iray vaky loha


  • Zoma 22 Aprily 2016

Mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra iray izay voalaza fa lehiben’ny fiara mangabe mitety ireo toerana feno mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra no novonoin’ny olona tampoka tetsy

 

Tsaralalana omaly maraina ka torana. Araka ny fantatra, lehilahy iray no nitora-bato azy avy aty aoriana ka vaky ny sisi-masony an-kavanana, simba ihany koa ny nifiny. Mpivarotra amoron-dalana io lehilahy io notronin’ny namany maromaro. Nosamborina avy hatrany izy, naiditra hopitaly kosa ilay mpiasan’ny kaominina. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa izy. Tsy maintsy hampiakatra ny raharaha amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany kosa ireo mpiasan’ny kaominina, araka ny fanazavan’izy ireo. Manahy ny ainy mantsy izy ireo raha mitohy izao. An-kilan’izay, ireo mpivarotra dia milaza fa olon-tsotra efa tezitra amin’ny fihetsiky ny mpiasan’ny kaominina no nanohitra azy ireo fa tsy mpivarotra. Milaza ihany koa ny mpivarotra fa misy naman’izy ireo naratra. Ny fanadihadiana ihany moa no hahafantarana ny tena marina amin’ny tranga tahaka izao satria samy manana ny fomba filazany ny an-daniny sy ny an-kilany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT