Actualités

Savorovoro tany Anjozorobe Miaramilan’ny DSP no nitifitra


  • Zoma 04 Martsa 2016

Matetika no mizaka ny tsy eran’ny ainy ihany koa ireny foloalindahy izay miasa any amin’ireny manampahefana ireny fa irahin’izy ireo hanao zavatra mifanohitra amin’ny lalŕna kanefa tsy ho afaka handa sy hamaly.

 

 Ho an’izay mbola hilaza fa sary namboamboarina indray ireny sary mitatira ny herisetra nataon’ny zanaky ny filoham-pirenena tamin’andian’olona tany Anakaraoka, Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe ireny dia aoka izy hamboatra saina sy hiaiky ny marina fa tena zava-nisy ireny fa tsy namboamboarina toy ny nanasoketana mpanao gazety tamin’ny sarin’ireo zaza tratran’ny kere tany Atsimo indray.

Manamboninahitra iray miasa ao amin’ny fiadidiana ny Repobilika mihitsy no nanamafy fa mpiambina manokana an’Atoa Rakotoarimanana Mathieu Minotahiana ireny nanao fihetsika feno habibiana ireny. Tsara ihany ny manavaka, hoy ity manamboninahitra ity fa na dia samy miasa ato amin’ny fiadidiana ny Repoblika aza fa olon’ny DSP (direction de la sécurité présidentielle) dia tsy rehefa miaramila miasa ao amin’ny filoham-pirenena dia lasitra iray avokoa, araka ny nambarany. Tafintohina amin’ity zava-niseho tany Ambatomanoina ity ihany koa na ny mpitandro ny filaminana eny anivon’ny lapa aza satria hitan’izy ireo fa efa mivoaka amin’ny sehatry ny asa tokony hataony ny ampanaovina azy ireo. Tena zava-doza no miseho ankehitriny eto anivon’ny firenena satria noho ny tranga nisesy dia misy foko iray eto Madagasikara izay mahatsiaro iharan’ny fanamparam-pahefana manokana ka tapa-kevitra ny hivoaka amin’ny fahanginany. Tsy ho tsara amin’ny fiainam-pirenena mihitsy ny fivoizana ny adim-poko ary antenaina fa tsy ho tonga any amin’izany satria efa mazava ankehitriny ny rangory fototry ny afo. Raha ny vaovao farany heno dia efa nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy ny fianakavian’ireo niharan’ny fanamparam-pahefana ary mba hitondrana fanazavana misimisy dia hisy ihany koa ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety anio. Hatramin’ny fotoana nanoratanay kosa dia mbola tsy nandrenesam-peo ny fitondrana momba ity raharaha ity. Ny filoham-pirenena anefa vao ny alatsinainy teo no nilokaloka fa hiady hatramin’ny farany amin’ireo olona izay mijirika ny harena natoraly ny malagasy sy ireo mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna kanjo ny zanany ihany no ataon’ny olona resaka ankehitriny.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT