Actualités

Savorovoro tany Anjozorobe Manazava ny zandarimariam-pirenena


  • Sabotsy 05 Martsa 2016

Tsy filam-baniny sanatria na fanakianana be fahatany fa mba mahagaga ihany hoe nahoana no omaly zoma 4 martsa , izany hoe 12 andro aty aorian’ny savorovoro nitranga tany amin’ilay kariera

 

fitrandrahana vatosoa any Anjozorobe vao niteny sy nilaza ny heviny ny zandarimariam-pirenena sy ny lehiben’ny distrika ao amin’io faritra io. Raha fintinina ny resak’izy ireo omaly hariva tao amin’ny filazam-baovaon’ny Radio Madagasikara (RNM) dia nanao hoe :tsy nisy olona maty na naratra izany tany amin’ilay kariera tao Ankaraoka-Anjozorobe na dia nisy ihany aza ny poa-basy.Nilaza ho nidina tany an-toerana sy nanadihady ny tena zava-nitranga marina ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ho an’ny faritra Analamanga, ka araka ny tatitra nataon’izy ireo taorian’ny fanadihadiana ny mponian tany an-toerana dia tsy nisy maty izany tany Anjozorobe. Nanamafy ihany koa ny lehiben’ny distrikan’Anjozorobe fa tsy nisy ny namoy ny ainy ary efa niverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona any an-toerana. Manizingizna Ramatoa sefo distrika fa tsy nisy maty izany tao amin’io kariera tao Ankaraoka Anjozorobe izay ao anatin’ny kaominina Ambohibary. Raha ireto fanambarana ireto izany no raisina sy heverina dia mandainga tanteraka ny fikambanan’ny zanak’Androy notarihan-dry Tomasy Tsimihondra izay nanamafy ny alatsinainy 29 febroary las ateo fa maty notifirin’ny miaramilan’ny prezidansa tao amin’ny karieran’Ankaraoka-Anjozorobe ny 21 febroary 2016 ny lehilahy iray 29 taona, ary nisy nijoro vavolombelona mihitsy moa nilaza fa nahita ny naha voan’ny bala sy nahafaty ity lehilahy ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT