Actualités

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina


  • Talata 12 Novambra 2019

Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Jirama omaly.

 

Tale miisa 6 no indray nesorina tamin’ny toerany dia ny « Directeur d'exploitation des réseaux interconnectés », « Directeur technique eau Antananarivo », « Directeur production d'électricité », « Directeur principal région Antananarivo », « Directeur approvisionnement et logistique » ary ny « Directrice de la Communication ». Efa misy ny mpisolo toerana vonjimaika nasolo azy ireo. Henjana ny olana mahazo ny Jirama, dia ny fahatapahan-jiro sy rano mampikolay. Tsy mbola misy vahaolana maharitra azo hantenaina, raha ny fanazavana efa nentin’ireo tompon’andraikitra ambony tarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana Rasamoelina Solotiana Andriamifidisoa ny faran’ny herinandro teo. Miteraka fikorontanana eo amin’ny asa fihariana ny olana ankoatra ny fahapotehana samihafa aterany. Manampy trotraka ny rano, izay lasa ranom-potaka aza no mivoaka indraindray, hany ka manomboka mahatezitra ny olona. Mailaka nanala ny Tale jeneralin’ny Jirama izay napetraky ny fanjakana HVM, izay nezahina nailika tany ny tsy fetezana rehetra ny mpitondra. Nesorina ihany koa ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, saingy ny omaly tsy miova. Andrasana na hanova zavatra ny fanesorana ireo tompon’andraikitra maromaro ireo na hoenti-mampangatsiatsiaka ny hatezeran’ny vahoaka fotsiny. Resaka olona ve no tena olana sa kosa misy areti-mikiky an-taonany maro tao ? Nisy fitantanana tsy nahomby hatry ny ela, ary anisan’ny nanao tantely afa-drakotra an’io ny tompon’andraikitra napetraka tamin’ny tetezamita. Mailaka ny fitondrana nampidina 10% ny saran’ny herinaratra izay nidirana tamin’ny fatiantoka tsy toko tsy forohana. Ny orinasa anefa tsy nahavelon-tena, dia izao no vokany. Ampahatsiahivina hatrany fa nisy dosie mihitsy tany amin’ny Bianco momba io, saingy voakitika sy tena misy sazy ve ? Fatiantoka efa an’arivony miliara, ary toa tafiditry ny politika avo lentan’ny vahiny.  Toa tankina ny fanjakana amin’izao olana goavana izao, ary toa any amin’ny propagandy milaza hanao izao sy izao mampanantena paradisa no anton-draharaha kanefa ny olana misy aza tsy voafehy.

 

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT