Actualités

SAROM-BAVA VITA AMIN’NY LAMBA 300 isa isan’andro ny kaomandy azon’ireo mpivarotra


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Nihazakazahana sy nifanotofana ny toeram-pivarotam-panafody sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny faran’ny herinandro teo. Toraka izany koa ny sarom-bava izay efa tafakatra 15.000 Ar ny.

 

Betsaka ireo tsy nahatakatra io fiakaram-bidy io noho izany ka nitady hevitra. Efa nanita-tsaina sy nanodina vola ho amin’izany ihany koa ireo mpivarotra zaitra tsena eny Andravoahangy ka nanjaitra sarom-bava vita amin’ny lamba. 1500 Ar monja ny iray tamin’izany ka nihazakazahan’ny rehetra. 300 isa isan’andro nanomboka ny Sabotsy teo ny kaomandy azon’ny mpivarotra iray, ka tsy nanao afa-tsy io asa io izy ireo ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Na izany aza dia ireo olona manana fari-piainana antonony ny ankamaroan’ireo hita teny an-toerana raha tsy reraka ny nilahatra teny amin’ireo toerana mahazatra kosa ireo mpanam-bola. Anisan’ny tanjona amin’ny fanaovana sarom-bava moa ny hahafahana miaro ilay otrik’aretina tsy hiditra any amin’ny orona na ny vava, indrindra amin’ny toerana be olona

. Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

Hijery ny tohiny
FTT