Actualités

Sarin’ny barea, autocollant, “face painting” Nifandrombahana teny Anosy


  • Zoma 12 Jolay 2019

Nangotraka ny fitsenan’ny Malagasy ny lalao nifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea sy ny

 

 

 Tonizia, omaly alina. Saika nifandrombahana avokoa mantsy ireo karazana sary, kapa, kojakoja maro samihafa misy ny sary sy ny anaran’ny Barea omaly tontolo andro teny an-tsena. Ho an’ny teny Anosy manokana dia ny sarin’ny Barea namidy 400 Ar isanisany no tena nifampitadiavana, indrindra fa ho an’ny mpianatra. Toraka izany koa ny sarina sainam-pirenena autocollant fanao amin’ny fiarakodia. Tsy latsa-danja amin’ireo ny face painting  nandokoana tarehy miloko fotsy, mena, maitso  izay nilaharana mihitsy teny Analakely. Nanomboka tamin’ny 2.000 Ar dia efa nahavita izany miankina amin’ny haben’ny sary raha 5.000 Ar kosa no lafo indrindra. Ho an’ny tee-shirt kosa indray dia tsy naharaka ny mpivarotra noho ny fitombon’ny mpividy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT