Hiakatra tsikelikely ny vidin-jiro. Fanirian’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Rasidy Désiré, io sady vahaolana narosony mba hanarenana ity orinasam-panjakana ity. Nambarany fa ny fahanteran’ny milina sy ny tsy fahampian’ny fikojana noho ny tsy fahampiam-bola no tsy ahafahan’ny Jirama mamaly ny filan’ny mpanjifa herinaratra.
Ireo mpahay toekarena rehetra anefa etsy an-kilany dia samy milaza fa anisan’ny sakana ka mampihemotra ireo mpandraharaha hampiasa vola sy hanangana orinasa eto Madagasikara ny fidangan’ny vidin’ny herinaratra ankoatra ny hetra. Koa raha tsy maintsy hiakatra ny vidin-jiro dia mety ho nofinofy ny hisian’ny famoronan’asa vaovao eto Madagasikara, mety ho maro aza ireo orinasa voatery hampihena ny mpiasa ao aminy ka vao mainka hanamaro isa ny tsy an’asa, ahiana koa ny mety hikatonan’ireo orinasa madinika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.