Actualités

Saran-dalana 500 Ariary Hiteraka gidragidra


  • Sabotsy 01 Oktobra 2016

Nanizingizina omaly zoma ry zareo avy ao amin’ny UCTU na ny fivondronan’ireo koperativa mpitatitra eto an-drenivohitra fa hiakatra 500 ariary ny saran-dalan’ny taksibe manomboka ny talata 4 oktobra ho avy izao.

 

 Antony ny fiakaran’ny vidin-tsolika efa nisy teo aloha sy ny fiatoan’ilay tohana ara-bola (subvention) avy amin’ny fanjakana. Raha nanontaniana anefa ny tompon’andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana dia nilaza fa efa nomena avokoa ny « subvention » ary raha misy tara dia noho ny fandaminana tsy maintsy napetraka fa tsy hoe tsy omena akory. Manjavozavo noho izany ny toe-draharaha. Iza no milaza ny marina ary iza no mandainga ? Efa tena sempotra izahay, hoy ny mpitatitra satria sady miakatra ny vidin-tsolika no mbola lafo ihany koa ireo kojakojan’ny fiara. Miakatra aloha ny sara-dalana vao hirosoanay ny fanatsarana ny kalitaon’ny fomba fiasa (qualité de service), hoy ry zareo avy ao amin’ny UCTU. Fanambarana nahagaga ihany satria efa ao anatin’ny bokin’andraikitra nisy hatrizay anie io fanajana ny kalitaon’ny asa io e ! Ary tamin’ny fotoana nampiakarana ny saran-dalana ho 400 ariary roa taona lasa izay no efa nanome toky ny UCTU fa hanatsara io « qualité de service » io saingy resabe fotsiny. Ny koperativa rehetra dia ahitana taksibe maloto, maty an-dalana, manary mpandeha sy mihodina eny amin’ny tapa-dalana. Misy resevera manao teny mahery na manompa sy mikasi-tanana mpandeha mihitsy aza.

Tsy zaka

Ny olona rehetra nohadihadiana dia samy nilaza fa tsy zaka io saran-dalana 500 ariary io satria raha olona 4, izany hoe ny mpivady sy ny zanany 2 mandeha miasa sy mianatra dia efa mandany 4 000Ar isan’andro raha mandeha taksibe iray avy mandroso sy miverina. Raha mbola mifindra taksibe hafa moa dia mitombo roa avo heny io. Ny sakafo mbola resaka hafa. Tsy zaka izany, hoy ny renim-pianakaviana iray fa tena hamono tsotra izao ireo fianakaviana sahirana maro an’isa. Efa tena reraky ny fiainana ny olona ankehitriny, hany ka mora tezitra sy sosotra. Moa ve efa nandinika tsara izany ny mpitatitra sa maika hahazo tombony fotsiny. Hatahorana ny mety hisian’ny savorovoro indray eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina raha toa ka tena mihatra tokoa ilay saran-dalan’ny taksibe 500 ariary. Andrasana ny famahana olana avy amin’ny rehetra voakasik’ity saran-dalana ity. Ny toe-draharaha politika rahateo efa mafampana tato anatin’ny roa herinandro izay.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT