500 Ar ny saran-dalana eto an-drenivohitra manomboka anio talata 04 oktobra. Tsy hilefitra ireo koperativa mivondrona amin’ny asa fitaterana eto an-drenivohitra na ny UCTU
na dia nahitana fidinany aza ny vidin-tsolika ny faran’ny herinandro teo izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra. Ankoatra izay dia fantatra fa saran-dalana tokana io, tsy misy intsony ny tapa-dalana raha tsy voaresaka kosa ny fihatsaran’ny kalitaon’ny asan’izy ireo izay tokony hifanaraka amin’izany fiakaran’ny saran-dalana izany.
Tsy maharaka ny fandaniana hataon’ny mpitatitra ny fidinan’ny vidin-tsolika hoy Andriamatoa Andriantsolomora Bernardin, indrindra fa ny fitohanana etsy sy eroa izay tena handaniany solika be dia be tokoa. Olana ihany koa hoy ireo koperativa sasany ny tsy fahazoany ara-dalana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana izay efa nandrasana 15 andro katroka izao saingy tsy nahitam-baliny. Ahiana araka izany ny mety hisian’ny olana eo amin’ny mpitatitra sy ny mpandeha anio, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa tetsy an-kilany efa nampitandrina fa mety hisy ny mpanjifa haneho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ity fiakaran’ny saran-dalana ity, ary ahiana mihitsy aza ny mety hisian’ny savorovoro satria efa tena sahirana ny olona ary leon’ny fanararaotana sy ny fanambakana ihany koa.Iaraha-mahita rahateo ny fomba fiasa feno gaboraraka ataon’ny Taxi be maromaro ihany eto an-drenivohitra izay toa maika fotsiny hanenjika “versement” ka tsy miraharaha sy tsy manaja mihitsy ny zon’ny mpanjifa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.