Actualités

Saran-dalan’ny Taksibe Vita hatreo ny 200 Ar


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Tsy misy tapa-dalana intsony ny saran-dalana eto Antananarivo renivohitra manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao, hoy ny UCTU

400 Ar avokoa ny vola tsy maintsy aloan’ny mpandeha rehetra na dia mandingana toby fiantsonana iray aza ho fitsinjovana ny mpitatitra. Manampy io fanaovana ny saran-dalana ho tokana io ny faneken’ireo vondron’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny fitondrana mikasika ny fiakaran’ny vidin-tsolika raha araka ny fanazavan’ny filohany Andriambinintsolomona Bernardin. Hangatahan’izy ireo ny tsy tokony hanavahana ny fiara fa izay rehetra mpikambana ao amin’ny kaoperativa dia tokony hahazo avokoa. Nanamafy moa izy ireo fa hiova hanaraka io saran-dalana io ihany koa ny fomba fiasany. Anisan’izany ny fanajana ny mpandeha, ny fanaterana sy fakana azy hatrany am-potony, ny momba ny seza strapotin izay misy hazokely monja ny an’ny sasany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT