Actualités

Saran-dalan’ny Taksibe Mety hiakatra 500 Ar ihany


  • Talata 20 Septambra 2016

Mety hiakatra 500 Ar ihany ny saran-dalan’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra raha ny loharanom-baovao voaray.

Misy amin’ireo kaoperativa sasany miandrandra ilay vola fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana mantsy no tsy mbola nahazo izany ara-dalàna raha nahazo ny sasany fa ampahany ihany. Eo an-danin’izay dia tsy mety amin’ireo tompona fiara sy mpamily intsony ny fiakaran’ny vidin-tsolika tsy miato, indrindra fa ny fitohanan’ny fiarakodia  izay   andaniana solika  2 litatra mandroso sy miverina raha kely. Nandritra ny fivoriana notanterahin’ireo koperativa mivondrona ao anatin’ny UCTU na ireo mpitatitra an-drenivohitra no nahafantarana izany, izay hisy fanindroany mialoha ny tena handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra matotra. Ho an’ireo mpitatitra miasa ivelan’ny renivohitra moa na ny UCTS dia fantatra fa hampiakatra ny saran-dalany ihany koa izy ireo raha vao mampiakatra ny UCTU.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT