Actualités

Santatr’orana Dibo-drano sahady ny eny ambany tanŕna


  • Alatsinainy 15 Desambra 2014

Miditra tsikelikely ao anatin’ny fahavaratra isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Andro mafana nefa fotoan’ny filatsahan’ny orana no tena mamaritra io vanim-potoana io. Tsikaritra ho tena manevokevoka sy migaina tanteraka mihitsy ny hafanana raha ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Maro rahateo ireo miandrandra ny filatsaky ny orana mba ialàna amin’ilay herin’ny masoandro. Mahalana vao milatsaka ny orana saingy tonga masiaka araka ny fomba fiteny tokoa satria maharitra ora maromaro vao mitsahatra izany ka mampahazo aina ny zavamaniry sy ny tany amin’ny ankapobeny. Ahitana lafiny ratsy ihany koa anefa ny fitobaky ny orana eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Ny zava-misy hita maso mantsy dia maro amin’ireo toerana iva no miaina sahady ao anaty rano. Resadresak’ireo be vazivazy eny amin’ny fiaraha-monina moa ny hoe miverina ny fanaingana zipo sy famoretana pataloha tamin’ny taona 1980. Dia hihemotra any amin’ny 30 taona lasa koa ve izany ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy? Raha ny taha-pahantrana ankehitriny aloha dia efa latsaka ambany noho ny tamin’ny vanim-potoanan’ny revolisiona sosialista ny zava-iainana eto Madagasikara. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT