Naka Rabemanantsoa, anarana tsy azo kosehana anatin’ny diarin’ny kanto. Mpitendry zavamaneno sady mpamoron-kira voasokajy ho andrarezina ny lehilahy.
Ampahany amin’ireo hira noforoniny ny “Mivalo aminao aho ry tany” sy ny “Mifankatiava ihany” … Fantatra izao fa dia hisy ny fampivondronana arahina fitsongana talenta karakarain’ny taranany miaraka amin’ireo liana tamin’ny kanto nohajarian’i Naka Rabemantsoa hotanterahana, etsy amin’ny Tahala Rarihasina, manomboka amin’ny misandratr”andron’ny alahady 09 novambra ho avy izao. Ny 03 hatramin’ny 06 novambra kosa no handraisana ny fisoratana anarana, manoloana ny Tahala Rarihasina. Ezaka goavana ho amin’ny fampahafantarana sy fampitiavana indray ireo taokanton’ny ny mpanakanto andrarezina malagasy ho an’ny taranaka ny hetsika tahaka itony koa inoana fa ho maro no tsy hisalasala hitondra ny anjara birikiny ho amin’izany. Misokatra ho amin’ny fiaraha-miasa malalaka sy ny fifanampiana rahateo ireo mpikarakara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.