Actualités

SAMVA Tsy mazavazava ara-pitantanana


  • Talata 03 Febroary 2015

Tototry ny volabe ana miliara nefa tsy mahala fako ! Fa inona no mitranga ao amin’ny SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) ao ?

Betsaka ihany izay fanamby natao tamin’ny vahoakan’Antananarivo tato anatin’ny herintaona izay mikasika ny fako nefa toa ny teo ihany no teo. Nanome roa volana hanalana ny fako i Ny Hasina Andriamanjato vao voatendry ho PDS tamin’ny martsa 2014. Nisy tokoa ny aingabe fanalana fako, nefa tsy naharitra dia niverina indray ny loto. Tamin’ny fiandohan’ny taona teo dia nanome iray volana indray ny teo anivon’ny Kaominina hanalana ny fako. Inona akory no teo, mbola fako eran’ny tanàna, tsy misy boriborintany na iray aza tsy ahitana fivangongoan’ny fako amin’izao. Sampandraharaha manokana najoro hisahana ny fanadiovana sy ny fanesorana ny fako eto an-drenivohitra ny SAMVA. Mibaribary izao fa tsy vitany ny asany. Volabe ana miliara anefa no mirotsaka tsy tapaka ao amin’ny kitapom-bolany. Miasa amin’ny tokony ho izy sa tsia ny vola ? Taorian’ny 5 novambra 2014 fotsiny, ohatra, dia fantatra vola manodidina ny 120 miliara Ariary farafahakeliny no namatsiana ny SAMVA hanatontosany ny asany. Fanampiana avy amin’ny Tahirim-bolam-panjakana ny 120 tapitrisa Ariary, avy amin’ny minisiteran’ny rano ny 640 tapitrisa Ariary. Nisy koa 200 tapitrisa Ariary haba alaina amin’ny fako an-tokantrano na ROM (Redevance des Ordures Ménagères). Tamin’ny 19 janoary 2015 teo indray dia nanome alalana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny minisiteram-panjakana misahana ny fanajariana ny tany hanomezana ny vola mitentina 187 tapitrisa Ariary tokony hanarenana ny tsenan’i Nanisana hanadiovana ny tanàna, ka ho laharampahamehana amin’izany ny fanesorana fako. Manginy fotsiny ny vola 150 tapitrisa Ariary haba arotsaky ny Jirama tsy tapaka isam-bolana amin’ny SAMVA amin’ny fiparitahan’ny rano maloto. Teo anelanelan’ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 oktobra 2014 fotsiny, ohatra, dia fantatra fa 1,7 miliara Ariary no navoakan’ny CUA ho an’ny SAMVA avy amin’ny ROM, nefa dia io iaraha-mahita io ny loto eny amin’ny Boriborintany enina. Raha atao in-dray mibango ireo dia tsy ny vola no olan’ny SAMVA, fa inona ? Fitantanana ?

Tandrametaka

Ankoatra izay dia tena mampiteny ny moana ny lalana eto an-drenivohitra. Fanambin’ny PDS Ny Hasina Andriamanjato, raha vao nandray asa izy, ny hanarina ny lalana eto an-drenivohitra tao anatin’ny enim-bolana. Nisy asa natao tokoa, saingy vonjitavanandro sy tandrametaka ka dia vao mainka feno lavadavaka ny lalana. Farany teo dia nisy vola 1,3 miliara Ariary eo nomen’ny governemanta Ravelonarivo hanarenana ny lalana. Nampiasana amin’ny tokony ho izy marina ve ny vola fa toa mitombo hadiry hatrany ny lavaka amin’ny lalana ? Toy izany koa ny 3,5 miliara avy amin’ny Tahiry fikojakojana ny lalana nomena ny CUA hanarenana ireo lalana eny amin’ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra. Raha nampiasaina nikojana lalana tokoa, maninona no mora samba ? Sa ahoana no fomba nisafidianana ireo orinasa nampanamboarina azy ? Aleo hangarahara !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT