Actualités

SAMVA 111 miliara ariary ny tetibola 2016


  • Sabotsy 27 Febroary 2016

Nivory voalohany ny alakamisy teo ny filankevi-pitantanan’ny «Service Autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo» notarihan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sady filohan’ny PCA Lalao Ravalomanana.

 

 Nisongadina ny fahavononan’ireo mpikambana isan-tokony hiasa hiaraka ho fanarenana ny tsy fitovian-kevitra sy fifandirana izay niafara mihitsy tamin’ny fifanilihana andraikitra, hoy ny talen’ny kabinetran’ny CUA Rakotoarivony Jean Pierre. Samy hitondra ny sosokeviny amin’ny fandrindrana ny lamin’asa hotanterahana avokoa moa ireo departemanta ministerialy, ny Jirama ary ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny tapaka nandritra io fivoriana santatra io. Harafitra ao anaty antontan-kevitra iombonana kosa avy eo ireo tolokevitra samihafa izay havadika asa mivaingana mandritra ny taona na ny «Programme de Travail Annuel». Lany sy nankatoavin’ny besinimaro nandritra io fihaonana io ihany koa ny tetibola mitentina 111 miliara ariary ampiasain’ny Samva amin’ity taona 2016 ity.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT