Actualités

Sampandraharahan’ny fananantany Mpiasa maro no esorina hametrahana olon’ny minisitra ?


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Sikilaonina be ato amin’ny sampandraharahan’ny fananantany amin’izao, hoy ny mpiasa tafaresaka taminay.

 

 

Nambarany fa henjana ny tetika fanesorana tompon’andraikitra ambony sy mpiasa ao ankehitriny. Marina fa ifandimbiasana ny toerana, saingy ny tsikaritra dia ny olona akaiky ny minisitry ny fanajariana ny tany no ezahina homena toerana, hoy ny mpiasa nisafidy ny tsy hitonona anarana. Atao io mba hanamorana ny afera samihafa, toy ny famarotana tany, izay lasa bizina be raha ny nambaran’io loharanom-baovao io. Miverina indray ny fomba ratsy tamin’ny tetezamita amin’ny fihazakazahan’ny famarotana tanim-panjakana, indrindra fa amin’ny vahiny. Efa notaterina teto vao tsy ela fa voarara ny fanotorana tany kanefa dia misy izany tsy tapaka eto. Amin’ny alina matetika no ahitana ireo kamio mpanototra tany. Efa noresahina teto ny zava-misy etsy Andohatapenaka, saingy tsy nisy tompon’andraikitra ara-panjakana sahy nijoro sy nanazava ny tena marina ao ambadik’ireny. Tsy hisy fanotorana tany mandeha ho azy izany fa tsy maintsy misy olona ambony manampahefana ao ambadik’ireny. Io ihany koa ny resaka afera samihafa momba ny famarotana tanim-panjakana fa mipongatra, ary efa noresahin’ny depiote Naivo Raholdina ny ampamoaka nilazany fa efa tany be tsy hita pesimpesinina no namidin’ny minisitry ny fanajariana ny tany ankehitriny tamin’ny sinoa sy ny karana. Mitohy ary miha mahazo vahana izany ny afera, raha dinihina ny fanomezam-baovaon’ny mpiasan’ny fananantany. Ho lafo ihany i Madagasikara raha izao no mitohy!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT