Actualités

Sampana mpamonjy voina Fandrebirebena avokoa ny 95%-n’ireo antso voarainy


  • Zoma 14 Oktobra 2016

Mbola toetra tsy afaka amin’ny olona sasany ny mananihany eny fa na dia amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany aza

. Anisan’ny miaina izany isan’andro ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Raha araka ny fanazavan’ny lieutnant colonnel Rabemanantsoa Charles izay tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana mantsy dia ny 95 %-n’ny antso voarain’izy ireo dia fandrebirebena avokoa. Raha mahatratra 200 isan’andro mantsy ny antso voarain’izy ireo dia ny folo ihany no tena misy tranga ilana ny mpamonjy voina. Na izany aza anefa dia notsindrian’ity tompon’andraikitra ity fa mbola hanaovana fanadihadiana manokana ihany koa ireo folo ireo raha tena marina, izay vao miainga ny ekipa. 30 segondra eo ho eo no hanaovan’izy ireo ny fiomanana izay vao manavatsava ny làlana any anaty fitohanana izy ireo na koa mitady hevitra hafa ho an’ireo toerana hitrangan’ny loza tsy tafiditry ny fiara. Izay no antony mahatara anay indraindray hoy hatrany ny lieutnant colonnel Rabemanantsoa Charles fa tsy sanatria fanahiniana akory. Nomarihiny manokana moa fa ny 25 %-n’ny fivoahan’izy ireo ihany no resaka hai-trano ny 60 % ambiny kosa dia vonjy aina avokoa toy ny vehivavy teraka an-dalana, ohatra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT