Niara-namboly hazo niaraka tamin’ireo mpianatra an-jatony eo anivon’ny sekoly Saint Joseph Mahamasina ny sampandraharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro etsy Ampandrianomby tamin’ny alarobia teo, teny Imerintsiatosika.
Fandraisana andraikitra avy hatrany manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro no tanjona izay nanentanan’ny mpamantatra ny toetr’andro manokana ny ankizy sy ny tanora. Ankoatra izay dia nentaniny mba ho tia hahay hanaja tontolo iainana ihany koa izy ireo ka anisan’ireny ny tsy fanaovana maloto eny rehetra eny na ny fanariana fako. Ny fahaizana mitsitsy herinaratra, ny fanajana sy fikoloana ny tontolo. Mbola nitohy omaly ny hetsika ka nahafahana namboly zana-kazo an-jatony. Mikasika ilay andro ratsy ao amin’ny fari-dranomasina misy antsika kosa na ny oseana Indiana dia fantatra fa mbola “perturbation tropicale” izy hatramin’ny omaly izany hoe tsy mbola nahazo anarana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.